Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boxe olympique : Tsy manaiky hiala i Gégé Bosco

Boxe olympique : Tsy manaiky hiala i Gégé Bosco

Na efa nomen’ny komity olympika Malagasy (Kom) fe-potoana iray volana, mba hiala amin’ny toerana, maha filoha lefitry ny federasiona malagasin’ny ady totohondry (boxe olympique), aza, Andriamanampisoa Gégé Bosco, dia nilaza fa tsy manaiky izany didy izany. Nambarany fa misy lalàna mifehy azy ny federasiona ary ireo ligim-paritra manerana ny Nosy, tamin’ny alalan’ny fivoriambe, no nametraka azy eo, amin’izany toerana izany. Araka izany, nohamafisiny fa tokony ho ireo filohan’ny ligim-paritra ireo ihany koa no manala azy, raha ilaina izany, fa tsy teny midina avy any amin’ny komity olympika Malagasy. Nohamafisin’i Gégé Bosco ihany koa fa efa nisy taratasy nataon’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny ady totohondry, Rabarisoa Hery Mamy, milaza fa tsy hanala azy eo amin’ny toerany, mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasany. Izany rehetra izany no antony tsy hanekeny ity faneren’ny Komity olympika Malagasy azy ity hametra-pialana. “Fanaovana Halako bika sy tsy tiako tarehy fotsiny ary fanenjehana olona tsy mitovy hevitra no ataon’ny Kom”, hoy izy.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.