Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety : Nahazo fankatoavan’ireo ligy ny federasiona

Basikety : Nahazo fankatoavan’ireo ligy ny federasiona

Notanterahina, ny zoma 1 desambra lasa teo, ny fivoriambe ara-potoan’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBO). Tamin’izany no nanaovan’ny komity mpitantana ny tatitra samihafa, ny ara-teknika, ny ara-bola ary ny ara-moraly, nandritra ny taom-pilalaovana 2017.  Natao  teo anatrehan’ireo ligim-paritra miisa 19 manerana ny Nosy, mandrafitra ny federasiona sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ary ny solontenan’ny Komity olympika malagasy (Kom) izany.

Taorian’izay, nomen’ireo filohan’ny ligy 19 ireo fankatoavana na “quitus” ny federasiona malagasin’ny basikety, tarihin-dRamaroson Jean Michel. Nambaran’ny talen’ny fanatanjahantena federaly, fa ara-dalàna ary nizotra antsakany sy andavany, araka ny lalàna ny fivoriana. Afaka manohy ny asany indray izany ny federasiona malagasy. Noraisin’ny filohan’ny federasiona avokoa moa ny hetahetan’ireo ligim-paritra rehetra. Nisy ny fizarana fitaovana, ho an’ireo ligim-paritra sy ny fampahafantarana ireo toerana handray ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny taom-pilalaovana 2018.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.