Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asa fanaovan-gazety : Nanorin-tokantrano i Fano sy i Voahirana

Asa fanaovan-gazety : Nanorin-tokantrano i Fano sy i Voahirana

« Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ny fitiavana ». Andalana notsongaina tao anatin’ny Tononkalon’i Solomona, 8 ;7a io. Nosafidian-dRafanomenjanahary Clermont sy Razafindranaivo Voahirana Espérant ho lohahevitra nanankinana ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo teo anatrehan’Andriamanitra, teny amin’ny FJKM Ambohitantely, ny asabotsy lasa teo izany.
Mpanao gazety sady mpaka sary ato amin’ny gazety Taratra sy Les Nouvelles, ato amin’ny vondrona Ultima Media i Fano. Mpanao gazety ihany koa, miasa ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM i Voahirana. Natambatry ny fitiavana, fa indrindra koa natambatry ny asa ho iray izy roa.
Taorian’ny fanamasinana ny fanambadiana, niara-nikorana teny amin’ny Espace Mahatehotia, eny Mahabo Ambohimarina ny fianakaviana, ny namana ary ny mpiara-miasa amin’izy roa.
Mirary tokantrano sambatra, arahin’ny taranaka izay iriana ary ho lavitry ny ratsy rehetra ny gazety Taratra.

Ny fanoratana

Les commentaires sont fermées.