Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vao nikatona ny fotoam-panjonoana : miakatra ny vidin’ny hazandrano

Vao nikatona ny fotoam-panjonoana  : miakatra ny vidin’ny hazandrano

Tato anatin’ny roa herinandro izay, voararan’ny lalàna ny fanjonoana. Mikatona ny taom-panjonoana ary mihidy ny rano. Zara raha hita eny an-tsena, araka izany, ny trondron-dranomamy.

Misy anefa ireo mbola mivarotra hita eny amin’ny talantalana ary lazain’ireo mpivarotra fa trondro nompiana tanaty dobo izy ireny. Manararaotra ny tsy fisian’ny trondro ireo mpivarotra ka mampiakatra ny vidin’entana.

Tafakatra 16.000 Ar ny kilao amin’ny trondron-dranomamy. Misy ireo tena vaventy, izay amidy 18.000 Ar ny kilao.  Miakatra manaraka izany koa ny vidin’ny hazandranomasina. Lasa ifanotofana ny hazandranomasina noho ny tsy fisian’ny hazandranomamy. Miakatra 2.000Ar ny kilao eny amin’ireo mpivaro-trondro.

Be mpanjifa ny trondro amin’izao fotoana satria efa voizin’ny dokotera fa anisan’ny hena tsara hanina  ho amin’ny fahasalamana. Betsaka ireo olona milaoka trondro sy akoho noho izy ireny hena fotsy ka mahatsara ny fahasalamana fa tsy mihinana henan’omby sy henan-kisoa intsony satria tsy tsara ho an’ny fahasalamana ny hena mena.

Anisan’ny mahatonga ny fanararaotan’ny mpivaro-trondro io fitomboan’ny mpanjifa io.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.