Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Teatra : « Tsy ampy ny fotoana niofanana »

Teatra  : « Tsy ampy ny fotoana niofanana »

Tontosa ny fiofanana momba ny teatra notanterahina teto Antananarivo, nandritra ny dimy andro. Niara-niaky ireo mpandray anjara 35 fa nahazo zava-dehibe sy fahalalana vaovao izy ireo. Nanamafy izany Rakotomalala Falimanana anisan’ireo niofana sady nitarika ireo mpandray anjara avy any Taolagnaro. « Tena zava-dehibe sy manan-danja tokoa ilay 5 niofanana, saingy tsy ampy. Mangetaheta fiofanana lalina izahay hoentina manatsara hatrany ny lenta efa ananan’ny tena », hoy izy.

Raha ny fanazavan-dRandrianierenana Henri, mpampiofana, « tsy mbola nisy fiofanana tahaka ity teo amin’ny tontolon’ny teatra malagasy satria saika nahatonga solontena avokoa ny faritra rehetra eto Mandagasikara. Noho izany, andro sarobidy tokoa ireo 5 andro ireo satria nahafahana nifampizara sy nifanakalo ».

Marihina fa ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana ary ny fiarovana ny vakoka no tompon’antoka tamin’ity fiofanana ity. Niara-niasa akaiky kosa ny « Organisation internationale de la francophonie » na ny OIF.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.