Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nahazo fitaovam-pitsaboana : toeram-pitsaboana enina voasokajy ho mendrika

Nahazo fitaovam-pitsaboana : toeram-pitsaboana enina voasokajy ho mendrika

 Miditra amin’ny andiany faharoa ny fifaninanana toeram-pitsaboana mendrika. Nitombo ho enina ny isan’ireo voasokajy tamin‘ity taona ity ary notolorana fitaovam-pitsaboana avo lenta ny mpitantana ny CSB sy ny Carmma.

CSB dimy ary ivontoerana Carmma (toeram-pitsaboana entina mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza) iray no voafidy ho mendrika amin’ity taona ity noho ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fotodrafitrasa ary ny fandraisana anjaran’ny mpanentana ara-pahasalamana tompondaka ao aminy mamaly ny filan’ny vahoaka. Notolorana fitaovam-pitsaboana entina hanatsarana ny fandraisana an-tanana ny CSB Ivahona ao Betroka,CSB Bedia ao Manjakandriana, CSB Mangily ao Toliara II, CSB Vinaninoro ao Ambositra, CSB Tanambao Antsiranana I ary ny ivontoerana Carmma ao Fiadanna, Tsiroanomandidy, omaly, teny Ambohitsorohitra.

Anisan’ny fitaovana sy kojakoja azo ny fitaovana fahazoana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro, fahitalavitra,  latabatra fampiterahana… nomena fitaovana toy ny bisikileta sy finday koa ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony (AC) ho famporisihana azy ireo hanohy ny ezaka. Tompon-kevitra amin’ny fikarakarana ny fifaninanana ny vadin’ny filoha, Rajaonarimampianina Voahangy, izay reny mpiahy ny ivontoerana Carmma 18 manerana ny Nosy. “Tanjona ny hanova ny toe-tsain’ny Malagasy hanana kalitao tsara amin’ny fahasalamana ka ilaina ny fifaninanana tahaka izao hanosika ny mpiasan’ny fahasalamana hiasa tsara”, hoy izy tamin’ny lahateniny.

Eto amintsika, mbola ambony ny taham-pahafatesan’ny reny. Vehivavy mpiteraka 478 amin’ny zaza teraka 100 000 ny reny mamoy ny ainy ka mbola mila ezaka ny fanatonana ny vahoaka amin’ny fanatsarana ny tolotra ho an’ireo CSB  2 614 miasa manerana ny Nosy.

Manohana ny asa hanamorana ny fahazoan’ny vahoaka fitsaboana tsara kalitao ny mpiray ombon’antoka maro toy ny USAID, OMS, Unicef, PSI, UNFPA…

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.