Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lasa ny vola devizy… : mpizahatany vahiny roa norobain’ny jiolahy

Lasa ny vola devizy…  : mpizahatany vahiny roa norobain’ny jiolahy

Nisehoana fanafihana tao amina trano fandraisam-bahiny iray tany Bekopaky Antsalova ny faran’ny herinandro teo, ka nahavoaroba ny volan’ny mpizahatany vahiny roa nipetraka tao an-toerana. Araka ny fanazavana, rehefa avy niverina nitsidika ny Tsingin’i Bemaraha izy ireo no nahita fa very ny vola 400 dolara sy 1.200 euros ary 400.000 Ar, niampy ny finday rehetra tao amin’ny efitra fatorian’izy ireo. Tonga teny an-toerana ny zandary ary nahita fa tsy nisy fahavakisana ny efitr’ireo teratany vahiny. Misokatra ny fanadihadiana momba izany, izay ireo mpiasan’ny hotely avy hatrany no niantefan’ny ahiahy, noho ny trano tsy vaky.

Raha ny fanazavan’ny zandary ihany, efa fanintelony nisehoana halatra ka tsy nisy fahavakisana trano tao amin’ity hotely iray ity. Ireo teratany vahiny mandalo hatrany no lasibatra amin’izany. Mampihena ny tahan’ny mpizahatany tonga any amin’iny faritra iny ny tranga toy izao. Milaza ny zandary fa efa misy ny fepetra raisina amin’ny fanaraha-maso ireny toerana fandehanan’ny mpizahatany ireny. Eo ihany koa ny famotorana efa mandeha eo anivon’ny hotely amin’ireny fandraisana teratany vahiny ireny.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.