Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitay sy saribao : mila mamboly hazo 40.000 ha isan-taona

Kitay sy saribao  : mila mamboly hazo 40.000 ha isan-taona

Tsy ampy mihitsy ny tahiry hazo hanaovana kitay sy saribao fahandro eto amintsika. Saika hampiasaina handrahoana avokoa ny 92%-n’ny hazo ho an’ny Malagasy. Araka ny antontanisan’ny fitantanana ny angovo azo havaozina ao amin’ny minisiteran’ny Rano, ny angovo ary ny akoranafo (MEEH), mahatratra 18 tapitrisa m3 ny filàna, ny fampiasana ny hazo eto Madagasikara raha 9 tapitrisa m3 ny tolotra avy amin’ny fambolen-kazo. Raha tiana ny hamenoana ny elanelan’ireo, mila mamboly hazo 35.000 ha hatramin’ny 40.000 ha ny eto Madagasikara.

Lafo ny gazy sy ny éthanol

Mora lavitra ho an’ny isan-tokantrano malagasy efa mahantra ny fampiasana ny hazo na ny saribao, miohatra amin’ny angovo hafa, toy ny gazy, ny herinaratra, ny avy amin’ny solika ethanol (angovo azo avy amin’ny fary na zavamaniry hafa), sns. Manodidina ny 250.000 Ar isan-taona isan-tokantrano ny tetimbidin’ny kitay lanin’ny Malagasy, 350.000 Ar raha mampiasa saribao, raha toa mahatratra 1.100.000 Ar raha mampiasa gazy ary 980.000 Ar ny fampiasana entona éthanol. Izany hoe, tsy mbola takatry ny tokantrano malagasy mihitsy ny fampiasana gazy na ny angovo ethanol, vokatry ny fahantrana lalina.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.