
Jerena amin’ny fomba maro samihafa ny tsara ho fantatra rehetra sy ny hanaparihana momba ny tsenan’ny asa, nanomboka volana maromaro izay. Paikady eo anivon’ny Ivontoerena mahakasika ny fanohanana sy ny fanatsarana ny fidiram-bola (INISAR)*, any Toliara, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa.
Fomba iray hoentina hanaparihana ny tsenan’ny asa ny fanokafana site web www.inisar.mg. Tao anatin’ny efa-bolana izay, 50.000 ireo efa nanokatra izany. Ho fanamafisana izay fikarohana sy fampahalalana ny tsenan’ny asa izay ihany, natonta ny gazety boky ho an’ny toekarena sy sosialy, hibanjinan’ny tanora ny ho avy.
Hita nisongadina izay vokatry ny politikan’ny INISAR izay ao Toliara sy ny faritra Atsimo andrefana nanomboka ny volana oktobra lasa teo. Natao tamin’izany ny fanangonam-baovao rehetra tsara ho fantatra momba ny asan’ny vehivavy sy izay tokony ho fanofanana homena ireo miasa rehetra ho an’ny fampandrosoana.
Nangonina ho tsara fantatra ny antontanisa azo antok a rehetra amin’izaovanim-potoana izao mahakasika ny vehivavy sy ny asa. Tokantrano 1.200 sy vehivavy 500 nanaovana fanadihadiana .Nanao izany ireo mpanara-maso sy mpanao fanadihadiana noraisina ao amin’ny faritra ihany.Taorian’izay fanangonam-baovao rehetra izay, natao ny famakafakana ny antontanisa rehetra nialoh ny namoahana ny tatitra farany.
Arahi-maso akaiky ireo nanaraka fiofanana
Dingana lehibe manaraka izao ny fanovana ny fomba fisainana hifantoka amin’ny fomba fananganana tetikasa, fandraharahana, fitantanana tsotra, varotra. Ny 13 hatramin’ny 17 novambra teo, 380 ireo olona nanaraka izany fiofanana izany maimaimpoana.Nandray anjara betsaka ny fikambanana maro, izay mbola arahi-maso akaiky, manomboka izao, ny fampiharan’izy ireo ny fiofanana nomena. Anisan’ny fiofanana nomena, ohatra, ny lafiny teknika maro, toy ny fanamboarana zezika, fiompiana, sns.
« Miova andriana, miova sata », izay ny famaritan’ny INISAR izao asa izao ho fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fidiram-bola isan-tokantrano. Sarotra fa azo atao, indrindra raha manana fahavononana amin’izany izay mpitarika azy. Nanatrika ny fanolorana fanamarinam-piofanana ny herinandro lasa teo, ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa, Maharante Jean de Dieu, niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny INISAR, Ratovondrasantsoa Pierrot Bréchard.
R.Mathieu
Les commentaires sont fermées.