
CSB iray nahazo loka ny ao Ivahona, ao amin’ny kaominina Ivahona, distrikan’i Betroka. « Tanjak’izy ireo ny fiaraha-miasa amin’ny olobe mpitana ny fomban-drazana sy ny mpitsabo nentim-pahazarana ary ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony », araka ny fanazavan’ny mpitantana ny CSB Ivahona, Ralaiaritiana Alexis Théogène, teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra, omaly. Miasa mafy manentana ny vahoaka amin’ny fokontany sivy sahaniny ny mpanentana nefa ny fokontany sasany miorina any amin’ny 50 km avy eo amin’ny CSB Ivahona. Ny olona rahateo mazoto manatona ny tobim-pahasalamana. Na izany aza, sakana amin’ny fampandrosoana ny fahasalamana koa ny asan-dahalo izay manjaka rehefa maina ny andro. Amin’izao fotoana izao, ny aretim-pivalanana sy ny sery ary ny kohoka no mpahazo ny vahoaka ao amin’ny kaominina. Misy ihany ny aretina tazo saingy efa nihena ny isan’ny olona voany.
Vonjy A.
Les commentaires sont fermées.