Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitongilanan’ny fampahalalam-baovao : notebahin’ny FFKM ny haino aman-jerin’ny fanjakana

Fitongilanan’ny fampahalalam-baovao : notebahin’ny FFKM  ny haino aman-jerin’ny fanjakana

Na  tsy nanondro mivantana aza, voavely  kanonta amin’ny fanambaran’ny FFKM koa ny minisitry ny Fifandraisana. Mazava  ny  fehinkevitry ny fiangonana nivoaka tamin’ny fihaonan’izy ireo  tany Antsirabe ny  herinandro teo.

 

« Momba ny filazam-baovao: Mibahana amin’ny haino aman-jerim-panjakana  ny vaovaon’antoko, ka tsy mahazo afa-tsy vaovao tokana ny olona araka ny tenin’ny mpaminany Izaia hoe: famoretana sy fikomiana ny resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po, dia  avoakan’ny teny ataonay (Izaia 59: 13)”, hoy izy ireo. Mitombina tanteraka izany fanambaran’ny FFKM  izany ho an’ny eo anivon’ny TVM/RNM. Tsy  mba  ahitana  loko sy endrika olon-kafa na feon’ny mpanao politika ivelan’ny antokon’ny fitondrana maneho hevitra na mba mahazo avara-patana amin’ireo  haino aman-jerin’ny fanjakana ireo. Na misy aza, fihatsaram-belatsihy fotsiny ihany amin’ny segondra vitsy. Nofy izany mpanohitra hahazo sehatra amin’ireo onjam-peo sy fahitalavitry ny fanjakana ireo izany. Mibahan-toerana sy mahazo laka ny antoko HVM. Zary lasa ampihimamba sy giazan’izy ireo izany. Iandrasana any amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny  fifidianana amin’ny  taona ho avy vao mody homena sehatra ny hevitry ny hafa ? Efa mahazo tombony  isan’andro, herintaona mialoha ny antokon’ny fitondrana sy ireo mpanohana azy eo  anivon’ny TVM/RNM.

Tsy mahay maka lesona amin’ny tantara… 

Midika  izany fa tsy mahay maka lesona eo amin’ny tantara ny mpitondra  sy ny tompon’andraikitra amin’ny fitongilanana  na fitanilana amin’ ny famoahana vaovao. Niara-nahita ny  nanjo ireo  tranoben’ ny TVM/RNM etsy Anosy nefa vakoka nanana ny tantarany. Potika sy rava ary may… Anisan’ny  miteraka lonilony sy  valifaty ny fibodoan’ny antokon’ny fitondrana ny fananam-bahoaka tahaka  izao ary ahina hampifandrafy noho ny fitongilanana eo amin’ ny famoaham-baovao. Mitaky fahamaroan’ny vaovao  sy ny fahasamihafana ary koa hevitra maro  loko ny vahoaka.

Araka izany, tsy tokony hanao  bemarenina fa hijery  ny fomba  hanatsarana izany ny tompon’andraikitra voalohany, amin’ny alalan’ny minisitera. Efa mba ny raiamandreny eo anivon’ny fiangonana no miteny…

Randria

Les commentaires sont fermées.