
“Manolo-kevitra izahay mba tsy hiseho eto amin’ny firenena ny korontana raha toa ka misy ny raharaha manahirana eo amin’ny firenena satria ny tanjonay ny haha iray ihany ny Malagasy”, hoy ny eo anivon’ny fikambanana Madagasikara antsika jiaby (Majia), tetsy Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Anisan’ny antso avo ataon’izy ireo ny fanomezana sosokevitra ny mpitondra mba hampitovy sy tsy hitanila amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy. “Tokony ho an’ny rehetra ny harena eto fa tsy misy ireo tokony hahazo tombony manokana ”, hoy ihany izy ireo. Hiroso hanampy amin’ny famahana olana amin’ny mety fifanolanana ny Majia. Eo koa ny handrafetan’izy ireo ny fandaharanasa amin’ny alalan’ny feon ’ireo madinika sy ny any ambanivohitra mba hamoahana fehinkevitra homena ny fitondrana. Manampy izany ny ny fampitambarana ny Malagasy mba hisian’ny fandrosoana. Ny fandraisana anjara eo amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, fandriampahalemana, fahasalamana…
Efa ahitana ny Majia amin’ny faritra 22. Tsy manao politika izy ireo saingy, afaka miara-miasa amin’ireo fikambanana na koa ny fiarahamonim-pirenena…
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.