
Tsy milamina. “Herinandro taorian’ny nandalovan-dRaholinarivo Paolo tany Betroka, niseho ny asan-dahalo ary sarona tamin’izany ny basy sy bala tany amin’ny olona akaiky azy io… Efa mandeha ny famotoran’ny zandary ka andrasantsika”, hoy ireo ben’ny Tanàna miisa 19 avy any an-toerana, tetsy Antaninarenina, omaly. Nohitsin’izy ireo fa administratera sivily tahaka izany nefa ao ambadiky ny asan-dahalo.
Etsy andaniny, nambaran’izy ireo fa tsy mitombina ny fanaratsiana ny depiote voafidy any Betroka manoloana ny firongatry ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao. “Mpifaninana taminy nirotsaka hofidina ireo ben’ny Tanàna telo manao izany ireo”, hoy ihany ireto ben’ny Tanàna ireto.
Niaiky koa anefa izy ireo fa tsy mbola nisy fiantraikany any Betroka ny fisian’ilay tobin’ny mpitandro filaminana (BIA) ao Ihosy. Mbola mahazo laka ny tsy fandriampahalemana.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.