Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resy tosika

Resy tosika

Rehefa mitranga ny olana any amin’ny toeram-piasana vao tonga saina ny rehetra fa ilaina ny sendikà. Tsapa izany tamin’ilay fandroahana mpiasa anjatony tetsy Andraharo farany teo. Ny tsy azo lavina anefa vitsy ny mpikarama malagasy na malaina mihitsy aza ny hiditra ao anaty sendikà izay takin’ny lalàna mifehy ny asa ny fijoroany. Mba tsy hanao izay tiany hatao ny mpampiasa, hanao antsojay amin’ny rehetra, satria tian-kano tsy tian-kano izy ity fa sarotra ny fiainana. Betsaka, noho izany, ireo tsy mahalala ny zony akory fa tratry ny tsindrihazolena hatrany rehefa vaky ny ady momba ny lafiny sosialy. Toa nanararaotra izay fahalemena izay ity fitondrana ity ka nataony maty momoka ireo tolona sendikaly niseho tetsy sy teroa. Eo ny fandrahonana ny mpitarika na ny fisamborana mihitsy aza. Misy koa ny fanambazana vola ireo tsy mitovy hevitra amin’ireo mafana fo. Vono afo e!

Ny solombavambahoaka Mapar aza moa, lasa HVM ka mainka fa ny mpiasa tsotra ery! Ary manoloana ny fifidianana ho avy, efa manomboka ny paikady nahazatra hatrizay izy ireo. Ny filoha mandeha mitokana izao zava-bita rehetra izao, eny fa na ireo fotodrafitrasa maivana aza. Ny mpiasam-panjakana izay tsy mety hisalotra “fehintenda manga”, azo antoka fa hafindra toerana any amin’izay be dahalo sy toerana tsy mandry fahalemana. Fomba mamoafady nataon’ny Pisodia, nolovain’ny Arema, “Mena mahazo”, notohizan’ny Tim tao anaty “finoana fotsiny ihany” izany. Lasa tarazo politika tsy foin’ny mpitondra satria efa sarotra ny hanova ny vato narotsaky ny mpifidy, ny ramatahora sy ny volabe atao fafy katrana eny amin’ireo vahoaka fadiranovana sy nampahantraina no tetika handresena amin’ny 2018. Asa koa raha ho afaka hanao fampielezan-kevitra ny kandidà tsy HVM. Efa hita taratra ihany ny mety ho fanakanana ataon’ireo mpanohana manerana ny Nosy. Asa na izay ilay fitoniana dradraina isan’andro.

Andrianjaka Vonjy 

Les commentaires sont fermées.