Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fanarahan-dalàna : radio efatra nakaton’ny MPTDN

Tsy fanarahan-dalàna : radio efatra nakaton’ny MPTDN

Maro ny onjam-peo mitaraina fa misy onjampeo hafa manindry na manakorontana ny azy ireo. Tsy mitazam-potsiny fa mandray andraikitra ny Antokon-draharaha mandrindra ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra (Artec), nitety faritra, nanomboka ny volana oktobra sy tamin’ity novambra ity. Narahi-maso ny fanarahan-dalàn’ireo mpampiasa onjampeo (fréquence radioéléctriques) amin’ny lafiny teknika sy ny antontan-taratasy ara-panjakana. Tany amin’ny faritany enina, niisa efatra ny mpampiasa ny  onjampeo FM tsy ara-dalàna, ka nogiazan’ny Artec, nakatona vonjimaika (sous scellés) avy hatrany, rehefa nomen’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny niomerika (MPTDN) toromarika. Na izany aza, manana fe-potoana mazava izy ireo hanarenana ny tsy nety sy hikarakarana ny antontan-taratasy tsy tomombana mba ho ara-dalàna.

Mbola hitohy manerana ny Nosy ity fanaraha-mason’ny Artec ity. Tanjona ny hanarahan’ny rehetra tsy ankanavaka ny lalàna sy ny fepetra ary anisan’ny fanambin’ny MPTDN ny fametrahana sy fanatanterahana ny fanjakana tan-dalàna.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.