
Tsy mijanona ho any am-pianarana fotsiny ihany. Nanatanteraka ny hetsika sosialy ho fanampiana ny fiarahamonina, indrindra ny tontolon’ ny fanabeazana ny eo anivon’ny Inscae, avy amin’ny ekipan’ny Mandresy. “Nisafidy manokana ny Lycée Ampitatafika izahay rehefa nahita sy nijery ifotony ny fizotry ny famaranana ny asa amin’io fotodrafitrasa efa mitsangana io”, hoy Ratsima Miora. Nitady mpiara-miombona antoka izy ireo ho enti-manatanteraka izany asa sosialy izany ka anisan’ny namaly ny antso sy nanolo-tanana ny eo anivon’ny orinasa Star. Notokanana, omaly, ny fahavitan’izany fanatsarana sy fanavaozana nentin’ireo mpianatra eo anivon’ny ekipa Mandresy ireto. Nankasitraka izao zava-bita izao ny eo anivon’ny Cisco sy ny tompon’andraikitry ny lycée ary koa ireo mpanabe.
Tombony ho an’ireo mpianatry ny Inscae
Tsiahivina fa anisan’ny mandrafitra ny ekipa Mandresy, Hanohanjafinarivo Sophie sy Andrianaivo Finaritra ary Andrianampinarivo Finaritra, miaraka amin-dRatsima Miora. Tafiditra amin’ny tokony ho fihetsika sy fomba fiasan’ny mpitantana “comportement du manager” izao hetsika nataon’izy ireo izao.
Hitohy any amin’ny faritra hafa sy asa sosialy amin’ny endriny hafa na koa mety hitovy amin’io nataon’ny ekipa Mandresy io ny hetsika ataon’ireo mpianatra eo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana ambony ity. Tombony ho an’ireo mpianatra rahateo izao, mialoha ny hiatrehany ny asany na ny tanjony eo amin’ny fiainana, ankoatra ny asa soa miantraika amin’ny fiarahamonina.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.