
Nijoro ny faran’ny herinandro teo, ny Tim, sampana Toulouse, any Frantsa. Tafiditra ho anisan’ny Distim, tahaka ny rafitry ny antoko eny anivon’ny distrika, ity any Toulouse ity. Tonga nanentana sy namelabelatra ny foto-kevitry ny Tim sy ny tanjona iraisana tamin’izany ny mpitarika foibe Tim Frantsa. “Tokony ho fanilo sy mpitarika hatrany aty ivelany isika ary hiaro sy hitady ny tombontsoa iombonana ho an’ny tanindrazana”, hoy izy ireo. Nambaran’ireo mpitarika fa tokony ho mpandray anjara mavitrika ary hitondra ny anjara biriky hanarenana ny firenena ny zanak’i Madagasikara (diaspora) ary hanohana sy hanampy ny vahoaka malagasy. Hitohy any amin’ny faritra atsimon’i Frantsa izao fametrahana ny sampana any an-toerana izao. Anisan’ny nanotrona izany ny sekretera jeneralin’ny antoko, Andriamahefaparany Donat.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.