Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra ao Toamasina : hohetsehina ny sekoly sy orinasa ary ny fokontany

Kitra ao Toamasina : hohetsehina ny sekoly sy orinasa ary ny fokontany

Tsy  niandry ela fa tamin’ny zoma tolakandro,  lasa teo tao amin’ny trano fisakafoana “L’univers” no nanambaran-dramatoa Razanamalala Miadanarivo, filohan’ny seksiona baolina kitra ao Toamasina, tamin’ny alalan’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, fa hiova ny fomba fampiroboroboana sy ho fampandrosoana  ny baolina kitra, ao an-drenivohitry Rasaraka.

Hofohazina avokoa ireo rehetra heverina ho tanjaky ny kitra ka hahafahana mamerina indray ny lazan’ i Toamasina amin’ izany taranja ankafizin’ny vahoakan’ny faritra Atsinanana izany. Voalohany, hoy izy, ny hampidirana ho ao anaty  klioba ireny kitra fokontany ireny mba hanara-penitra ny fifaninanana atao, ary faharoa ny eny anivon’ny orinasa, izay samy hakambana ao anatin’ny seksiona avokoa. Nambaran’i Miadanarivo fa efa hiroso tsy ho ela amin’ny fifaninanana hampandraisana anjara ireo kitra fokontany sy ny orinasa ary ny eo anivon’ny klioba sokajy faharoa. Marihina fa taom-piasana faharoa izao hitantanan-dRazanamalala Miadanarivo ny seksiona baolina kitra eto Toamasina izao.

Sajo

Les commentaires sont fermées.