Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandrindram-piterahana : 50 taona ny Fianakaviana Sambatra

Fandrindram-piterahana  : 50 taona ny Fianakaviana Sambatra

Namaky lay nampahafantatra ny fomba fandrindram-piterahana voalohany eto Madagasikara ny fikambanana Fianakaviana Sambatra ny taona 1967. “Roapolo taona taty aoriana vao niroso tamin’izany ny fanjakana malagasy”, hoy ny fanazavan’ny mpandrindram-paritry ny Fisa Antananarivo, ny dokotera Razanamampandry Vololoniaina, omaly teny Ambatomitsangana. 50 taona aty aoriana, efa misandrahaka amin’ny sehatra maro ny asan’ny Fisa fa tsy nihanona amin’ny fikarakarana ny fananahana fahasalamana intsony. Anisan’izany ny dinidinika iarahana amin’ny ray aman-dreny hiresahana ny fananahana fahasalaman’ny tanora sy ny zatovo. 13 ny fokontany iarahana miasa ao amin’ny kaominina Andoharanofotsy sy Tanjombato satria miorina eny Andoharanofotsy ny foibe ho an’ny tanora. Ao amin’ny foibe no tanterahina ny fifampizarana vaovao sy fahalalana ho an’ny ray aman-dreny 120 isaky ny telo volana momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora (SRA).

Nanomboka ny taona 2014 ny tetikasa sekolin’ny ray aman-dreny ary miova isan-taona ny ray aman-dreny mpidinidinika. Manana ray aman-dreny mpanentana olon-tsahala 20 koa ny Fisa ahitana mpitaiza tanora, fikambanana mikarakara zatovo sy ny tomponandraikitra eo amin’ny fokontany…

Ilaina ny dinika tahaka izao satria amin’ny vehivavy 1.000 miteraka, zatovo 15-19 taona ny 163 amin’izy ireo. Tomponandraikitra voalohany ny fianakaviany, afaka mifanoro hevitra ao an-tokantrano hisorohana ny vohoka aloha loatra.

Mandritra ny “Herinandron’ny Fisa” izay hetsika efa fanao isan-taona, manome tolotra maro ny Fisa: fametrahana maimaimpoana ny fanafody fandrindram-piterahana  implanon sy ny DIU mandritra ny fanamarihana  sady fankalazana ny faha-50 taona nisian’ny Fisa. Misokatra ho an’ny daholobe koa ny foibe eny Ambatomitsangana ahafantaran’ny maro ny andraikitry ny Fisa.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.