Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadihadiana – Komisera Razafindahy Manitra Fleurys : “Efa faniriko hatramin’ny kely ny ho polisy”

Fanadihadiana – Komisera Razafindahy Manitra Fleurys : “Efa faniriko hatramin’ny kely ny ho polisy”

Razafindahy Manitra Fleurys, “commissaire centrale” misahana ny etsy Bazarikely, olon’ny fampananjana ny zon’ olombelona, hentitra amin’ny fampananjana sy fampiharana ny fitsi-pipifehezana mifehy ny polisy. Firenena maro any ivelany no efa nandratoany fahaizana sy traikefa. Teo ihany koa ny efa nitantanany andraikitra maro samihafa teto an-toerana. “Fanarahana sarimihetsika hatramin’ny fahazazako nitiavako ny ho polisy hiarovako ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy.
Tsy tahaka ny fahitana azy teo aloha intsony ny fitantanana ny polisy etsy bazary kely, hatramin’ ny nahavoatendry an’ ny kaomisera, Razafindahy Manitra Fleurys, hiandraikitra an’ ity kaomisaria lehibe eto Toamasina  ity ary tsara ihany koa ny vokatra.

Raha nahazatra ny olona manandraharaha ny fahitana polisy manao karatra manerana ny birao sy lalantsara , mamo amperin’ asa , na koa mitarazorazoka amin’ny fanaovana  asa eny amin’ny fifamoivoizana , fidarohana olona atao famotorana, andaniny fanaovana kolikoly sy fankana vola amin’ny olona manadraharaha eo anivon’ny polisy dia efa anomboka hita taratra fa foana amin’ny ampahany izany ankehitriny noho ny ezaka fametrahana ny fampananjana zon’ny voampanga amin’ny maha olombelona sy ny fitsi-pipifehezana mifehy ny polisim-pirenena satria hentitra amin izany ity manamboninahitra iray ity. Nandritra ny fanadihadiana niarahana taminy rahateo nilazany fa tsy handefitra amin’ny fahatrarana na fahitana polisy misy fofona zavam-pisotro mahamamo eo ampanatanterahana ny asany izy , “polisy rehefa miasa dia miasa fa tsy azo hanaovana karatra ato amin’ny birao tsy ekena ny fikasihan-tanana olona atao famotorana” hoy izy. Faharoa kosa teo amin’ny vokatra dia tambanjotran-jiolahy maro rava miaraka amin’ny fitaova-piadiana mahery vaika maro ihany koa sarona ,raha tsy ilaza ny fankana ankeriny anisan’ny nahery vaika teto Toamasina ny polisy teo amin’ny fitantanany no nahitam-bokatra.

Nitety firenena maro.
Nialohan’ny nandraisany ny andraikitra maha komiseran’ny “police centrale” etsy  Bazary kely azy dia efa nisahana andraikitra maro tato anatin’ny faritanin’ i Toamasina ny tenany, efa lehiben’ny sampandraharahan’ny fifamoivoizana ,  efa nisahana ny  “police sciantifiques “, efa komisera tao Mananara avaratra, raha tsy ilaza afa-tsy ireo aloha. Tsy vitan’ny teto antanidrazana ihany nadratoany fahaizana sy traikefa amin’ny maha polisy azy fa nisy fivoahana tany ivelan’ny riaka toy ny tao Frantsa, Inde, Korea atsimo izay niofanana momban’ny “police sciatifiques ny taona 2003 -2006, raha  tao “cote d’Ivoire” ny taona 2011-2013, niofana momban’ny fampandriantany aty
Afrika. Nohamafisiny fa anisan’ny mampiavaka azy ny fanarahana antsakany sy andavany ny baikon’ny lehibeny ary ny fidinana ifotony miaraka amin’ny polisy fehezina fa tsy mibaiko eny ambony latabatra fotsiny. “ ny fanarahako sarimihetsika hatramin’ny fahazazako nitsirian’ny fitiavako ny ho polisy, tanjoko dia tiako ny hiaro ny vahoaka sy ny fireneko “hoy hatrany komisera, Razafindahy Manitra Fleurys.

Sajo

Les commentaires sont fermées.