Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampihavanana : miofana ny mpikamban’ny CFM

Fampihavanana  : miofana ny mpikamban’ny CFM

“Lohahevitra telo no hodinihina amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao: ny fametrahana ny laharam-pahamehana amin’ny asan’ny CFM. Eo koa ny fampiofanana ny mpikambana mba hitovian’ny lenta amin’ny fari-pahaizana momba ny fampihavanana, izay tsy misy sekoly manokana ho amin’izany. Farany, ny fidinan’ny mpikamban’ny CFM any amin’ny renivohi-paritany.”

Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM), Maka Alphonse, teny Ampefiloha, omaly, momba ny fivoriana tsy ara-potoana ataon’izy ireo izay hifarana rahampitso.

Nantsoina amin’izay fanofanana izay ny mpahay lalàna, minisitry ny fitsarana teo aloha, Imbiki Anaclet. Tao anatin’ny komitin’ny manampahaizana momba ny fampihavanana rahateo izy, ary nanadihady lalina momba ny fampihavanam-pirenena.

Hatrehin’izy ireo amin’izao koa ny fidinana any amin’ny renivohi-paritany, araka ny vinavina natao izay niarahana tamin’ny filoham-pirenena,: Fianarantsoa, Mahajanga, Antsirabe ho an’Antananarivo. Hampahafantarina ny olona amin’izany ny andraikitry ny CFM: inona no tena hatao, ary inona ny soso-kevitra ilaina amin’izany? Anentanana ny mpiray tanindrazana rehetra afa-mifampiresaka izany, hijery izay hitondrana ny fampihavanana tena izy.

Mbola tsy manana tetibola novolavolainy ny CFM, fa miandry ny fanitsiana ny tetibola vao hametraka izay hampanaovina azy sy ny hoenti-manana izany, raha ny nambarany.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.