Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Diso sy adala… ny marina sy manara-dalàna

Diso sy adala…  ny marina sy manara-dalàna

Tena ao anaty fahantrana lalina sy maharitra ny Malagasy ankehitriny, fa tsy i Madagasikara no hoe tany mahantra. Saika mihanaka sy miantraika amin’ny olon-drehetra sy amin’ny lafin-javatra manontolo ny fahantrana amin’izao? Tsy hita hotanisaina eto.

Manomboka amin’ny mpitondra tsy manaja lalàmpanorenana, ohatra, mihevi-tena ho tsy mba diso amin’izay lazaina sy ataony izay fahantrana izay. Manao izay danin’ny kibony fa hoe mety izao raharaham-pirenena izao, mandeha ny fampandrosoana.

Tafapaka amin’ny vahoaka ifotony koa izay fiheveran-diso izay? Na hita sy tsapa izao fa tsy mety: iaretana sy iforetana ihany fa hoe tsy fidiny, tsy raharahana fa tsy ahafaha-manoatra, avela handeha ho azy amin’izao fa hoe efa samy manao ny ataony.

Ho tonga hatraiza? Na ho inona ny voka-dratsy amin’izao fanarahana amin’ny onjany na fonjany fa manjega izao toe-draharaham-pirenena efa tena potika sy lo izao? Na efa voka-dratsy izao fa tsy misy intsony ny azo atao, fanarenana sy fanorenana.

Na izany aza, mba misy ihany ny tsy mahajery arina an-tava: mba mampaneno lakolosy fanairana, mba miteny… Ahoana? Efa tena ao anaty fahalovana tokoa angaha, fa izay manao izany indray izao no sahirana, hafahafa, ihatakatahan’ny sasany aza.

Tsy vitan’izany, toa sampontsampona aza ny olona miezaka ny manara-dalàna, mahitsy sy marina… Amin’izao andro sarotra izany ve, hono, no hanao izany, tsy ihomehezan’ny olona, ialan’ny maro, very ho azy, iharam-pantiantoka sy fahavoazana aza.

Efa tsy manan-javatra hajaina intsony ny olona sy ny firenena amin’izao fotoana izao? Eny, na izay farafaharatsiny mety hampiombona sy hiombonana aza. Tsy hita tsinona izay mba manao ny marina, mahitsy, manara-dalàna, mijoro, mitarika…

Miandry inona? Fifidianana, fampihavanana, fanorenana ifotony… Miandry an’iza raha diso sy adala tsinona izao ny olo-marina sy manara-dalàna? Na efa mila miara-misaina amin’izay, miara-miteny, miara-mijoro, miara-mihetsika… Alao hery!

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.