Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Arivonimamo : nohavaozina ny fiara entina miady amin’ny jiolahy

Arivonimamo : nohavaozina ny fiara entina miady amin’ny jiolahy

 Noho ny fitarainan’ny vahoaka amin’ny tsy fandriampahalemana miseholany any amin’iny faritra Arivonimamo iny, nanapa-kevitra ny solombavambahoaka any an-toerana fa hanampy ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Namboarina sy nohavaozina tamin’izany ny fiara iray izay fampiasan’ny polisy any Arivonimamo izay tsy afa-mihetsika intsony. Tonga nandray izany tany an-toerana ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka eto Antananarivo, ny commissaire divisionnaire de police, Andrianjoanimanana Joel, ny zoma 17 novambra teo.

Tamin’ny fandraisam-pitenenany, nisaotra ny solombavambahoakan’Arivonimamo ny tenany, izay nitondra teny avy amin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka. Tamin’izao fanampiana izao, nilaza izy fa tsy andraikitry ny mpitandro filaminana irery ny fampandriana fahalemana fa ao ihany koa ny isam-batan’olona, na fanomezam-baovao na ny fampitaovana toy izao. Nitodika tamin’ireo polisy ny tenany hahay hanaja ny fitaovana ampiasaina sy hampiasa izany araka ny tokony ho izy, hiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Ny solombavambahoakan’Arivonimamo kosa nilaza fa noho ny fitarainan’ny vahoaka amin’ny tsy fandriampahalemana ny anton’izao fampitaovana izao satria izany no antom-pisiany, ary vonona hatrany ny tenany hanampy ny mpitandro filaminana. Vola mitentina 8 tapitrisa Ar ny laniny nanavaozana izany fiara izany, ary nanolotra “machine à ecrire” ihany koa izy.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.