Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analavory : tratra ireo dahalo nikapa famaky ankizilahikely iray

Analavory : tratra ireo dahalo nikapa famaky ankizilahikely iray

 Voasambotry ny zandary tao Borikely distrikan’i Tsiroanomandidy ny herinandro teo, ireo dahalo telo lahy tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana tao Analavory. Araka ny fanazavan’ny zandary, nidina tany an-toerana izy ireo raha nandre fa misitrika ao amin’io toerana voalaza etsy ambony io ny iray amin’ireo dahalo nikapa famaky ka nahafaty ny ankizilahikely iray 17 taona tao Ambohitratoandro, kaominina ambanivohitra Analavory, ny alin’ny 5 novambra 2017 lasa teo. Niainga avy amin’ity dahalo iray tratra ity no nahafahan’ny zandary nisambotra ireo dahalo roa lahy niara-nanao asa ratsy taminy. Vokany, saron’ny zandary tany Ampizarantany kaominina ambanivohitra Bemahatazana Tsiroanomandidy, ny 15 novambra 2017 izy roa lahy ireto.

Niaiky  ny heloka vitany izy telo lahy ireto nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Nilaza izy ireo fa saika hangalatra no tena anton-diany tamin’io fotoana io, saingy raiki-tahotra indray izy ireo rehefa nahita ilay ankizilahikely maty voakapan’ny iray amin’izy ireo famaky ka nandositra avy hatrany ka tsy naka na inona na inona indray.

J.C

Les commentaires sont fermées.