Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tontolon’ny fitaterana : nijoro ny Vondron’ny taxi matihanina

Tontolon’ny  fitaterana  : nijoro ny Vondron’ny taxi matihanina

Ho amin’ny tsaratsara  kokoa eo amin’ny tontolon’ny fitaterana.  Nampahafantarina tetsy Analakely, ny asabotsy teo, ny fijoroan’ny Vondron’ireo taxi matihanina  (VTM) eto an-dRenivohitra.  Nihaona amin’ireo tompon’andraikitry ny fitaterana eo anivon’ny CUA, Raveloson Landy, izy ireo. Nivoitra tamin’izany ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny roa tonta. Naneho  ny aretina sy ny olana mpahazo ny taxi  sy ny tetikady hialana  amin’ireo mpijirika tsy ara-dalàna, mamono ny asany, ireo avy amin’ny VTM. Etsy andaniny, hamoaka ny «  Cartes magnétiques de conformité », tsy  aloa vola sady manan-kery mandritra ny roa taona aorian’ny fitsirihana avy eny amin’ny Omavet, ny CUA. Mazava  amin’ny  VTM rahateo ny asan’io sampandraharaha iray io, tsy mitovy amin’ny an’ny DGSR. Hatao amin’ny toerana iray  eny Ampasampito avokoa izany. Ankoatra izany, hisy fepetra vonjimaika mialoha  ka omen’ny CUA « certificat »  izy ireo mandra-pipetrak’ilay «  carte magnétique ».

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.