Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Star : 30 000 isan-kerinandro ny fanaraha-maso ny kalitao

Star  : 30 000  isan-kerinandro ny fanaraha-maso ny kalitao

Nampivoitra ny kalitaon’ny vokatra tsinjaraina eny amin’ny mpanjifa ny orinasa Star mpamokatra ireo entana ireo, nandritra ny fankalazana ny androm-pirenena ho fampiroboroboana ny sakafo azo antoka sy tsara kalitao, tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahanetena Mahamasina, ny herinandro lasa teo. Nampahafantarina ny mpitsidika ny hetsika, nandritra ny roa andro ny “code” hita amin’ny vokatra rehetra. Azo fantarina amin’ny fisian’ny “code” isaky ny vokatra tsirairay ny ozinina namokatra azy sy ny fe-potoana ahafahana manjifa farany ilay entana. Natao izany hiantoka ny kalitaon’ny vokatra Star rehetra.

Manana ozinina enina ny orinasa ary 30 000 isan-kerinandro ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra notanterahina ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Star, Razafindrakoto Carine. Manomboka amin’ny fividianana ny akora fototra hanamboarana ny vokatra hatramin’ny fanamboarana sy fitehirizana izany mandra-pahatongany eny amin’ny mpanjifa.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.