Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby Analamanga : nanamafy ny toerany ny FTM Manjakaray

Rugby Analamanga  : nanamafy ny toerany ny FTM Manjakaray

Nitohy, omaly alahady tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja rugby, karakarain’ny “Commission technique régionale”. Mbola nanamafy ny maha voalohany azy ny FTM Manjakaray, eo amin’ny sokajy “élite federale”. Resin’izy ireo, tamin’ny isa mazava 42 no ho 6, ny US Ikopa. Mbola hita indray ny fahaiza-manaon’ireo mpilalaon’ny Manjakaray ireo. Nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny taktika izy ireo, izay nahitana an-dry Dapiso, Koroka, Gervais sy ry Mbola. Tetsy ankilany, hita fa tsy ampy teo amin’ny vovok’aina ireo mpilalaon’Ikopa, na nanao izay ho afany aza ry Chabal sy ry Bôtsô ary ry Mainty. Teo am-pialan-tsasatra, efa nitarika tamin’ny isa, 15 no ho 3, ny FTM Manjakaray. Efa tany amin’ny minitra farany kosa vao resin’ny Cosfa ny JSTA Ambondrona, rehefa nitarika tamin’ny isa 23 no ho 17.

Tompondaka

Ireo voka-dalao rehetra :

Vehivavy

Rosa  (00) – (20) XV Beravina

Elite régionale

Fitamiba (18) – (11) XV Soldats

FTBA (19) – (14) FT Andavamamba

ASA (18) – (03) Lions SA

Mang’Art (14) – (18) JCA

SCB (33) – (10) XV Blacks

Elite féderale

USA Ankadifotsy (49) – (21) XV Avenir

Cosfa (24) – (23) JSTA

STM  (47) – (09) VTMA

 

Les commentaires sont fermées.