Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noraisin’ny filohan’ny UA ny mpanorina ny Tim

Noraisin’ny filohan’ny UA  ny mpanorina ny Tim

 Mitohy ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana, amin’ireo tompon’andraikitra samihafa, amin’izao fitsidihany ny  any ivelany izao. Noraisin’ny filohan’ny Vondrona afrikanina (UA) am-perinasa, Alpha Condé  sady filohan’i  Ginea tao Paris, ny tenany, ny asabotsy 18 novambra teo. Tsy nisy nipika ny dinika, saingy tombanana fa voaresaka ny raharaham-pirenena ankapobeny.  Anisan’izany ny hiatrehantsika ny fifidianana amin’ny taona  ho avy. Anisan’ny miombon-kevitra amin’ny tokony  hanaovana izany ao anatin’ny mangarahara sy demokratika ary tsy manilika na iza na iza, tahaka ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny UA .

Tsiahivina fa efa nihazo ny  tany Bonn, Alemaina ny mpanorina ny Tim nialoha izany.  Nitohy tany Strasbourg ny diany ka  nifampiresahany amin’ireo parlemantera eoropeanina, vao namoaka fanambarana ny herinandro teo ary nanatsinkafona ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra sy ny tsy fahombiazany.

Midika izany fa efa manomana ny hiatrehana ny fifidianana miainga amin’ny fifampiresahana amin’ireo any  ivelany ny Tim.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.