Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra : nankasitraka ny Cnaps ny Fifa

Kitra  : nankasitraka ny Cnaps ny Fifa

Taorian’ny fahazoan’ny Cnaps Sport ny tompondakan’i Madagasikara fanineniny, nandefa taratasy fankasitrahana ho an’ity klioban’ny ligin’Itasy ity ny filohan’ny federasiona iraisam-piren’ny baolina kitra (Fifa), Gianni Infantino. Tamin’izany no niderany ny fikirizana sy ny fitozoana ataon’ireo mpilalao rehetra, niaraka tamin’ny mpanazatra sy ny mpitantana ny klioba, miampy ireo mpanohana ka nahazoan’ny Cnaps Sport indray ny vokatra. Nisaotra ny federasiona ihany koa ny tenany, amin’ny fivoizana ny sary tsara sy ny hafatra mendriky ny baolina kitra.

Tsiahivina fa hisolo tena an’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”, amin’ny taona 2018, ny Cnaps Sport. Marihina fa fanindiminy misesy no nahazoan’ny Cnaps Sport ny tompondakam-pirenena raha fanineniny kosa izany teo amin’ny tantarany.

Ho fantatra amin’ny alahady 26 novambra ho avy izao kosa, etsy Mahamasina, izay handrombaka ny amboaran’i Madagasikara, eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Cosfa Analamanga.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.