Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fivoriana tany Strasbourg : natsinkafon’ny parlemantera eoropeanina ny tsy fahombiazan’ny mpitondra

Fivoriana tany Strasbourg  : natsinkafon’ny  parlemantera eoropeanina ny tsy fahombiazan’ny mpitondra

 Tsy misy mandeha amin’ny laoniny. Rakotry ny fantsy  tanteraka ny fitondrana Rajaonarimampianina. Nabaribarin’ny parlemantera eoropeanina tamin’ny fivorian’izy ireo, ny herinandro teo, ny tsy fahombiazana sy ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Nidirany antsipiriany avokoa…

 

Voarakitra anaty boky ahitana  pejy maromaro ny fehinkevitry  ny fivorian’ny parlemantera eoropeanina,  nivory tany Strasbourg ny herinandro  teo. Nivoitra ao anatin’izany fa ahina mafy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety taorian’ilay lalàm-pamoretana nolanin’ny parlemantera eto amintsika iny. « Tokony hiverenana  ny handinihana izany »,  hoy izy ireo. Notsikerain’ireto parlemantera eoropeanina ireto koa fa tsy mbola nivoaka ihany ny daty hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena ary miketrika ny hanova lalàmpanorenana hanome vahana ny filoha am-perinasa, araka ny fehinkevitra ihany. « Manahy mafy avokoa ny fiarahamonim-pirenena sy ny antoko politika… », hoy  izy  ireo.

Ny « Raharaha Antsakabary »

Nohitsin’ireto parlemantera ireto, niainga amin’ny tatitry ny Amnesty International misahana an’i Afrika, fa tsy voahaja ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna eto amintsika ary mampanahy  tanteraka. Ohatra, ny 50% amin’ireo gadra tsy mbola  voatsara. Eo  koa ny herisetran’ny mpitandro filaminana… « Anisan’izany ny doro tanàna nataon’izy ireo tany  Antsakabary, ny volana febroary teo. Tsy tokony ho afa-bela amin’izany ny mpitandro  filaminana ary takinay ny hanaovana fanadihadiana mahaleo tena momba izany ”, hoy izy ireo.

Manampy trotraka ireo ny fanakatonana haino aman-jery  sy  ny sivana ary koa ny fampihorohoroana mpanao gazety.  Notsikerain’izy ireo koa ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ary fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena, toy ny andramena na ny biby…

Ny  “Raharaha Razaimamonjy Claudine

Notsiahivin’ireto parlemantera vahiny ireto koa fa niteraka fifandroritana eo amin’ny mpitondra sy  ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM) ny « Raharaha Claudine », ahina ho nanodinkodim-bolam-panjakana tamin’ny fanambarana ampahibemaso nataon ‘ny minisitry ny Fitsarana  tamin’izany, Andriamiseza Charles, ny fitakiany famotsorana io  tandapa io. “Niditra lalina sy niandany amin’io mpandraharaha io ny fitondrana. Tsy hita taratra ny fisarahan’ny fahefana. Nohelohin’ny SMM izany ary nanatonga fitokonan’izy ireo  sy nitakiany ny fahaleovantenany. Avelao  hanao  ny asany ny fitsarana… »,  hoy izy ireo.

Notanisain’izy ireo  ny fitavozavozan’ny fitondrana amin’ny  pesta, ny fanolanana sy herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy…

Fifidianana filoham-pirenena,  tsy manilika…

Manoloana  ireo, manantena ny parlemantera eoropeanina fa fifidianana filoham-pirenena ho ao anatin’ny fitoniana sy demokratika ary mangarahara  ny hatao eto amintsika amin’ny taona  ho  avy. « Ilaina ny fifampiresahan’ny  hery rehetra ao anatin’izany mba hiantohana  fifidianana azo antoka sy tsy manilika kandidà na iza na iza ary eken’ny rehetra… », hoy izy  ireo. Mitaky ezaka ary avo roa heny amin’ny mpitondra ny parlemantera eoropeanina hanafoanana ny kolikoly, ny tsimatimanota…

Nampitain’ireto parlemantera ireto hatrany amin’ny Firenena mikambana (ONU) sy ny Sadc ary koa  ny Vondrona afrikanina (UA) izany fehinkevitra izany. Andrasana ny ho tohiny…

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.