Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra toekarena manokana : depiote 38 monja, nandany ny ZES

Faritra toekarena manokana : depiote 38 monja, nandany ny ZES

Tsy voafehy sa tsy mahaliana ? Toy ny mahazatra, vitsy ny solombavambahoaka mivory, indrindra rehefa mahakasika ny fampandrosoana ny firenena, fa tsy fikatsahana tombontsoa manokana toy ny fitakiana fiara 4×4. Manamarina izany, zara raha depiote miisa 39 amin’ny 152 ny nanatrika ny fandaniana ny lalàna mifehy ny Faritra ara-toekarena manokana (ZES), ny alarobia 8 novambra teo, teny Tsimbazaza ary nandany azy ny 38 amin’ireo.

Mahakasika ny aim-pirenena ny ZES, indrindra miompana amin’ny lafin-tany, ny fambolena, ny famoronana asa eny ifotony. Tsy nakana ny hevitry ny mpisehatra samihafa anefa ny namolavolana azy, indrindra ny mponina sy ny fiarahamonina sivily, ary maro ny fanehoan- kevitra manodidina azy.

Faritra telo ny efa ametrahana azy, ny seranan-tsambon’i Ehoala any Taolagnaro, any Moramanga, hananganana ozinina mamokatra lamba ary lafiny fizahantany any amin’ny faritra Diana. Anisan’ny ao anatin’ny fifanarahana fa tsy maintsy terantany malagasy ny 95%-n’ny mpiasa.

Mandritra ny 30 taona ny faharetan’ny fifanarahana ary azo havaozina raha mahafa-po ny vokatra. Tsy nampahafantarina ny besinimaro kosa ny anjara tombontsoan’ny fanjakana sy ny orinasa vahiny hampiasa.

Randria

Les commentaires sont fermées.