
Asa andavanandro ho an’ny fanabeazana ny fizarana kojakojam-pianarana, tahaka ny natao teny Antsonjombe, omaly. Tsy ilana filoham-pirenena na praiminisitra na minisitra miditra an-tsehatra akory aza fa vitan’ny eny anivon’ny Zap ny mizara izany eny anivon’ny EPP sy CEG. Tsy mandany vola na hanofana fiara marobe hampiakarana ny mpianatra eto Analamanga izany. Tsy ilana volabe angalana mpanakanto koa… Lasa fahasahiranana tadiavina sy fandaniana mihoa-pampana. Zary manao ny asan’ny ONG sy fikambanana amin’ny fanampiana madinidinika tahaka ireny izany izao ny fanjakana. Tsy hoe fitaovam-pianarana maharitra taom-pianarana telo na efatra rahateo akory ny nozaraina. Anisan’ny olana eto amintsika io mifampitsabaka andraikitra sy asa io, ka tsy misy mipetraka amin’ny toerany intsony ny zava-drehetra. Tsy fantatra intsony fa mifangaro voraka ny iza ny manao inona. Anisan’ny tsy fahaiza-mitantana avokoa izany.
Mbola resaka hafa ny fitohanana goavana teo amin’ny fifamoivoizana nihazo an’Analamahitsy, omaly, mitondra fatiantoka ho an’ny toekarena, saingy efa tsy jerena intsony izany satria efa mahazatra. Ahoana koa ny fifampitadiavana amin’ireo ankizy marobe ireo eny Antsonjombe rehefa nirava ? Avy rahateo ny orana. Efa niteraka olana sy loza ny nampiakarana ireo mpampianatra Fram analiny taty Antananarivo…
Mba tsy ho fisehosehoana ivelany fotsiny…
Voalaza fa volan’ny filoha mivady ny nividianana ireny “kits” ireny, ho an’ny mpianatra 60 000 amin’ireo CEG eto Analamanga na 200 ihany aza aloha nozaraina, omaly. Hitohy any an-tsekoly ny fizarana. Mbola tokony hahazo anjara amin’izany koa ny any amin’ny faritra 21 hafa, toy ny any Midongy Atsimo na Antsakabary sy Mananjary, may trano sy tanàna, mba tsy hiteraka lonilony na hiheveran’ny sasany fa misy fiangarana eto. Inoana fa mbola manam-bola hanaovana izany ny filoha mivady fa tsy ho fisehosehoana fotsiny indray mandeha tsy miverina…
Etsy andaniny, tsy ratsy akory ary tena ilaina iny fizarana “kits” iny, saingy tokony hahavitana asa hafa eny anivon’ny sekoly ny niakaran’ireo ankizy ireo teto an-drenivohitra.
Mametraka vina mijery lavitra kokoa
Tokony mijery lavitra kokoa sy manana vina koa anefa ny mpitondra fa tsy manao fisehosehoana ivelany tahaka izao. Anisan’izany ny fametrahana ny sakafo an-tsekoly ho an’ireo ankizy ireo. Firifiry ireo tsy mbola tafiditra an-tsekoly na koa nandao ny lakilasy noho ny fahantrana sy olana maharitra iainain’izy ireo ? Mbola maro ireo mianatra eny ambodihazo, na sekoly tsy misy tafo. Eo koa ireo mipetraka amin’ny tany any am-pianarana… Mbola maro ireo sekolim-panjakana andoavan’ny ray aman-dreny vola lava izao isam-bolana…
Ankoatra izany, tsy tokony anjaran’ny filoham-pirenena ny mitarika ny tahaka ireny. Tsy fanamaivanana akory izany fa misy andraikitra tokony ifampizarana. Oviana ary taiza ny filoha frantsay na ny mpitondra amerikanina nifandimby ka nizara “kits” ho an’ny mpianatra ? Hafa indray raha hoe nahavita fotodrafitrasa goavana, toy ny lalana Mainitirano mihazo an’i Tsiroanomandidy na Vohidiala – Ambarondrazaka na koa Ambilobe-Vohémar ny fitondrana. Tena anjaran’ny filoham-pirenena mihitsy kosa ny mitokana izany.
Randria
Les commentaires sont fermées.