Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raharizatovo Gilbert : « Aleo halamin’ny CFM ny firenena… »

Raharizatovo Gilbert  : « Aleo halamin’ny CFM ny firenena… »

 Nitondra tolo-kevitra. Efa napetraka ny CFM ka tokony homena  hasina io. Aoka izay ny fanonganam-panjakana fa avela ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filoha Rajaonarimampianina, araka  ny nambaran’ny mpandalina sy  mpamakafaka politika, Raharizatovo Gilbert, tao amin’ny fandaharana « Ambarao » ao amin’ny radio Alliance 92 FM, omaly. “Na  hatao ny fifidianana na  tsia, hiteraka olana izany ka tokony hotantanin’ny CFM heverina fa raiamandreny ny firenena, handaminany ny zava -drehetra…  Tsy ilaina ireo Andrimpanjakana rehetra ireo satria  manohana befahatany ny mpitondra… », hoy  izy. Nanteriny  fa tsy atao maharitra ny fitantanan’ny CFM mba  tsy hisy hidongy toerana eo indray. Natao handamina ny fandriampahalemana sy tsy filaminana  izy ireo . Hamerina amin’ny laoniny ny kolontsaintsika.  Hanomana fifidianana miainga amin’ny lalàm-pifidianana sy lalàmpanorenana  ahitana andininy 20, tsy azo kitihina  intsony na iza na iza mpitondra hifandimby eo.

Halamina ny Foloalindahy,  ny harem-pirenena…

 

Halamintsika ny Foloalindahy… Harindra ny fitrandrahana sy fitantanana ny harentsika ary ny tontolon’ny  fananan-tany.  Iarahana amin’ireo  zanaka am-pielezana any an-dafy (diaspora) sy  ny avara-pianarana na manampahaizana izany rehetra izany, araka ny nambarany. “Andriamatoa Rajaonarimampianina sy ny HVM, vitaina ny fe-potoam-piasanareo. Tsy hokitihina na  haongana ka ndao handamina miaraka  ny  firenena isika.  Hataontsika  ny fifidianana… Avelao hiteny any ny fianakaviambe  iraisam-pirenena.  Raharahantsika mianakavy manokana  ity”,  hoy  izy.

Ankoatra izany, notsiahiviny avy eo fa  tsy  niova ny fomba amam-panao hatramin’ny Fahaleovantena no ho  mankaty  na teo aza ny fifandimbiasan’ny mpitondra  ka zary  tsy ahitana vahaolana. “Tsy niomana hitondra fanjakana  ireo mpitondra nifandimby… Tsy nanao politika ka  tsy mahalala ny zava-misy sy ny iainan’ny vahoaka eo amin’ny firenena. Miteniteny foana sy mandika vilana fotsiny izy  rehetra”, hoy ihany izy.  Notsindriny manokana fa tsy mba nangalatra na nanodinkodim-bolam-panjakana na tanim-panjakana sy  nanao hosoka  teny   amin’ny ladoany Rabesahala  Gisèle, Monja  Jaona, Manandafy… “Mangorona ny ho azy sy ny fianakaviany ny amin’izao fotoana izao fa tsy mijery ny  vahoaka sy ny firenena.  Hahita raharaha ireo raha misy ny fanadihadiana iraisam-pirenena momba izany”, hoy ihany Raharizatovo Gilbert.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.