Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kianjaben’i Mahamasina : namboarina ny «piste» fihazakazahana

Kianjaben’i Mahamasina : namboarina ny «piste» fihazakazahana

Nanomboka, omaly alarobia, ny fanamboarana sy famerenana amin’ny laoniny ny “piste” fihazakazahana ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, izay nanaovana ny «rallye international de Madagascar», ny 10 ka hatramin’ny 12 novambra lasa teo. Ny federasiona sport automobile malagasy (FSAM) no mandray an-tanana izany, araka izay efa teny nataony, tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, nialoha ny fifaninanana.

Aravona amin’ny alalan’ny masinina mba hitovy tantana tsara aloha ny tany eo amin’ny ambonin’ny “piste”, avy eo vao rarahana “laterite” ary iverenana aravona indray aorian’izay. Amin’ny farany vao asiana fasika madinika, araka ny nambaran’ny teknisianina, mikarakara izany. Hiankina amin’ny toetr’andro kosa ny faharetan’ny asa. Tsy maintsy ajanona mantsy ny fanamboarana, raha vao avy ny orana ary miandry ny fitsaharany. Marihina fa olona 10 no indray mitantsoroka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny “piste” eo Mahamasina. Raha tsiahivina, notontosaina tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny “super spécial”, nandritra ny hateloana, tamin’iny “rallye international de Madagascar” iny.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.