
Rehefa nahemotra andro vitsivitsy noho ny antony tsy niankina amin’ny mpikarakara, raikitra fa ny 25 novambra izao no hotanterahina ny « Kaonferansa momba ny teny » 2017 (KMS 2017). Mahatratra enina ireo lohahevitra hifanakalozana sy hifampizarana, eny amin’ny Haitsiron’Iarivo Alarobia, amin’io fotoana io. « Ny Malagasy tsy tompon’ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana » (Aja), « Teknika sy torohevitra fomba fanoratana tononkira (Endrika isehoan’ny asa soratra ao anatin’ny mozika rap) » (Farah), « Ny hoavin’ny poezia sy ny toeran’ny mpamaky manoloana ny firoboroboan’ny mpanoratra sy ny asa soratra ankehitriny » (Ny Andriniela), « Ny asa soratra sy ny teknolojia vaovao » (Rima), « Ny lanjan’ny soratra ao anatin’ny filazam-baovao » (H.R) ary ny « Asa soratra sy ny fanatontoloana » (Poète Rebelle).
Ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko no mikarakara « KMS 2017 ». Nanampy amin’ny fanatanterahana izany kosa ny Zoromanga sy ny Librairie Antso FJKM ary ny Haitsiron’Iarivo.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.