Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taorian’Isalo : may koa ny alan’Andringitra

Tsy misy fitsaharany ! May nanomboka ny alarobia 8 novambra teo ny alan’ny faritra arovana any Andringitra any Fianarantsoa. Tsy maty ny afo raha tsy ny asabotsy, niarahan’ny fokonolona sy ny tompon’andraikitry ny Madagascar National Park (MNP) niisalahy. Voalaza fa tsy tonga tany amin’ny fonenan’ireo biby ny afo. Mampiavaka ity toerana ity ny tendron’i Bôby, tangoron-tendrombohitra avo indrindra faharoa eto Madagasikara.

May nanomboka ny 6 novambra teo koa ny faritra arovana any Isalo ary tsy maty raha tsy ny 9 novambra. Ampolony ny mpizahatany voatery navoaka haingana tao anaty faritra ary nisy may ny fitaovana sy ny kojakojan’izy ireo sasany. Tsy mbola misokatra ny toerana voajanahary filomanosana.

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.