Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sahirana ny firenena : tsy voafehy ny vidim-piainana

Sahirana ny firenena : tsy voafehy ny vidim-piainana

Hodinihina amin’ny 15 novambra ho avy izao eny amin’ny antenimiera roa tonta ny tetibola 2018. Ny  tsara homarihina, tsy voafehy ny vidim-piainana ny taona 2017 teo.

Tsy tanteraka ny vinavina! Singa iray anisan’ny itarafan’ny besinimaro ny fandrosoan’ny toekarena na tsia ny fidangan’ny vidim-piainana. Raha ny tarehimarika navoakan’ny teknisian’ny fanjakana, mpahay toekarena, novinavinaina tao anatin’ny tetibola (LFI) 2017 fa ho 7,1% ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ity taona ity. Namoaka tarehimarika ny Banky foiben’i Madagasikara, fa nahatratra 8,2% ny tahan’ny fisondrotry ny vidin-javatra andavanandro araka ny tondrom-bidim-panjifana (IPC)*, ny fiandohan’ny volana aogositra 2017 raha kajiana ny herintaona, mitovy fiovaovana nandritra ny volana jolay. Anisan’ny tena nahatonga an’io ny fidangan’ny vokatra avy eto an-toerana, toy ny vary, ohatra. Raha ny hita ao anaty tetibola 2018 indray, voalaza ao fa ho 7,8% ny tahan’ny vidim-piainana.

Tsikaritra fa tsy nitombo ny haren’ny tokantrano malagasy, satria voalaza ao anatin’ny fanazavana savaranonando fa maro tsy mitsa-mitombo ny mponina an-tanàn-dehibe, mirongatra ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana ambanivohitra, eo koa ny tsy fahafaha-mamokatra vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny tsy fandriampahalemana

Ambany ny fampidiran-ketra

Ankoatra ireo, manodidina ny 11,4% hatrany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto Madagasikara amin’ny taona 2018, toy ny tamin’ity taona ity hany. Anisan’ny ambany indrindra aty Afrika sy maneran-tany io taha io, na efa mitaraina aza ny mpandraharaha sy ny orinasa fa midangana ny hetra takin’ny fanjakana aminy.

Efa voafaritra nanomboka ny taona 2016 teo koa fa manodidina ny 5% hatrany ny fitomboan’ny harinkarena ankapobeny hatramin’ny taona 2020.

Tsara ny manamarika fa hodinihin’ny antenimiera roa tonta ity tetibola 2018 ity manomboka rahampitso alarobia 15 novambra. Araka ny fanamarihan’ny fikambanana fiarahamonim-pirenena CCOC, tokony ho tonga any amin’ireo mpivory ny antontan-kevitra mirakitra azy, 10 andro mialoha ny handinihana azy. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ity tetibola ity ahitana 226 pejy!

Randria

 

Les commentaires sont fermées.