Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby Analamanga : hiady ny «finale de poule» ny 3 FB sy ny Tam

Rugby Analamanga : hiady ny «finale de poule» ny 3 FB sy ny Tam

Hiady ny famaranan-bondrona na ny «finale de poule», eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja rugby, karakarain’Analamanga rugby, ny Tam Anosibe sy ny 3 FB. Fihaonana, hotanterahina ny alahady 19 novambra ho avy izao etsy amin’ny kianja Malacam, hatrany.

Taorian’ny andro fahavalo, notanterahina ny alahady lasa teo, no nahazoan’izy ireo ny tapakila hiatrehana izany. Ny Tam, nandresy ny XV Family, tamin’ny isa 28 no ho 23. Lalao nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany. Tetsy ankilany, nomontsanin’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana, tamin’ny isa mavesatra 36 no ho 13, ny Stade Olympique de l’Emyrne. Nanjakan-dry Zo sy ry José ny lalao hatrany am-boalohany ka hatrany amin’ny fiafaran’ny fotoana. Tamin’ny isa, 18 no ho 13, kosa ny nanilihan’ny TFMA ny Matadorea ary resin’ny TFA tamin’ny isa 41 no ho 35 ny UAS Cheminots.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.