
Fampitambaran-kery tsy hiverenan’ny krizy. Mitohy ny ahiahin’ireo eo anivon’ny fiaraha-mientan’ny mpanao politika sy ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena amin’izao herintaona mialoha ny fifidianana izao. “Novana ny volavolana lalàm-pifidianana efa niaraha-namolavola… Tsy voahajan’ny komity iraisan’ny minisitera ireo volavolan-kevitra niaraha-nidinika nandritra ny fotoana maro, nampanaovin’ny Ceni sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, toy ny Pnud, OIF… Mipetraka ny ahiahy fa hiseho ny fanovana tsy hifanandrify amin’ny efa naroson’ny komitin’ny fakan-kevitra (CCRP) hatolotry ny governemanta ny Antenimiera roa tonta”, hoy ny fanambarana iombonana tamin’ny fivorian’izy ireo, omaly, teny Antaninarenina. Manoloana izany, najoron’izy ireo ny komity iombonana ho an’ny andrimaso demokratika hiatrehana ny fifidianana (CVDE) ary nametraka fitakiana maromaro.
Tsy maintsy hatao amin’ny 2018 ny fifidianana
Anisan’izany ny hamoahan’ny fitondrana, tsy misy hatakandro amin’ny io volavolan-dalàna mialoha ny fandrosoana azy eo amin’ny filan-kevitry ny governemanta, ary indrindra mialoha ny hampandaniana azy ho lalàna eny anivon’ny parlemanta. Tsy mijanona eo. “Takianay ny hampielezana ny lalàna hisy mba ho eken’ny besinimaro ny lalàm-pifidianana eto amin’ny tany sy ny firenena hisorohana ny korontana mety hitranga mialoha, mandritra ary ao aorian’ny fifidianana”, hoy ihany izy ireo. Mitaky ny hanajana ny lalàmpanorenana milaza fa dimy taona ihany ny fe-potoana itondran’ny filoham-pirenena, lany. “Noho izany, tsy maintsy hatao amin’ny 2018 ny fifidianana filoham-pirenena. Miantso ireo fianakaviambe iraisam-pirenena hanohana ny Malagasy amin’izao ezaka atao izao hametrahana marina ny demokrasia koa izahay », hoy izy ireo.
Anisan’ny mandrafitra ny mpikambana ao CVDE ny mpikambana ao amin’ny CCRP sy ny CSP, ary hatevenin’ireo filohan’antoko politika sy fiarahamonim-pirenena na ireo solontenany. “Hiarahan’ny rehetra manao ary tsy voatery ho fanoherana ihany ny hetsika rehetra hatao fa tsy maintsy hisy fanentanana ny mpifidy rehetra ho tonga saina amin’ny safidy hataony”, hoy ihany izy ireo.
Hanao amboletra sy kilalao maloto ny fitondrana…
Araka izany, ahina ho nofinofy ny fifidianana demokratika sy mangarahara manoloana izao hetsiky ny mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena izao. Efa fantatra rahateo ny fihetsik’ireo parlemantera ireo amin’ireo volavolàn-dalana nandalo teny. Tsy mba mahay maka lesona amin’ny tantara ny mpitondra fa manao amboletra sy tsy te hahalala afa-tsy ny tombontsoany ary miketrika amin’ny fomba rehetra hijanonana eo amin’ny fitondrana, ka manomana lalao maloto sy fitsipi-dalao sadasada, toy ny efa nahazo ny mpanao gazety…
Randria
Les commentaires sont fermées.