Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Me Razafinjatovo Willy : “Tsy misy intsony vahoaka matoky ny mpitondra”

Me Razafinjatovo Willy : “Tsy misy intsony vahoaka matoky ny mpitondra”

 Mbola resabe ny amin’ny fisiana sy fandairan’ny tsaho amin’ny vahoaka.  Tsy misy intsony vahoaka matoky ny mpitondra, raha ny fijerin’ny Me Razafinjatovo Willy.  

 

“Manafintohina ny fihainoana ny resaka hoe tokony hifampatoky. Tokony ho fantatry ny mpitondra amin’izao fotoana izao: tsy misy matoky anareo intsony ny vahoaka. Be loatra ny lainga sy ny fampanantenana natao, tsy misy tanteraka.”

Izay ny fanehoan-kevitry ny Me Razafinjatovo Willy, ny amin’ny tsy fahitokisan’ny vahoaka intsony ny mpitondra fanjakana. Tsy inona fa noho ny savorovoro teto Antananarivo sy ny manodidina, ny 9 novambra lasa teo, tamin’ny tsaho hoe misy andian’olona miaraka amin’ny mpitandro filaminana manao vaksinina pesta any an-tsekoly.

Ny zava-misy aloha, araka ny fanazavany, matahotra sady romotra be ny vahoaka tamin’iny trangan-javatra iny. Manangoly ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena amin’izany zavatra izany hoe tokony hifampatoky ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka, ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny sekoly na ny mpampianatra…

Tsy tanteraka ny fampanantenan’ny mpitondra

 Amin’ny fampahatokisana nomen’ny Praiminisitra, ohatra: telo volana no nomena, dia hoe hilamina ny tany sy ny fanjakana eto Madagasikara. “Hatramin’izao, moa ve misy olona afa-mitsangana amin’ny saina tsy miangatra, maso tena mihiratra sy fisainana madio hiteny fa hoe tena milamina tokoa ny firenena amin’izao fotoana izao?” hoy ny Me Razafinjatovo Willy.

Tsy isan’andro ve amin’ny haino aman-jery ny hoe faty olona, fanafihana atsy sy aroa… ? Izany ve no atao hoe milamina? Amin’izany, mbola lazaina ny hoe tokony hatoky ny mpitondra fanjakana ny vahoaka. “Aza mifamitaka fa tapitra efa tsy misy intsony ny zavatra atao ifampitokisana”, hoy izy. Porofon’izany ny fitsaram-bahoaka, satria anisan’ny tsy atokisan’ny vahoaka ny mpitondra amin’izao fotoana izao izany.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.