
« Aoka izay ity filalaovana ny filoha Ravalomanana ity… Atsaharo ny lalao maloto. Raharaha maro ny tao anatin’ilay bokibe voalaza fa nisy nangalatra fa tsy ny azy ihany tamin’ireny raharaha tamin’ny taona 2009- 2010 ireny, kanefa ny azy ihany no voizin’ny sasany ?”, hoy ny Me Razafimanantsoa Hanitra, omaly teny Antaninarenina. Tsiahivina fa nokasaina ho natao omaly alatsinainy ny fitsarana an-dRalitera Andrianandriana sy ny kaomisera Mbinina, momba ny “Raharaha 2009”. Anisan’izany ny “Raharaha 7 feboary”, niampangan’ny fitondrana Tetezamita azy ireo. Nifanindry amin’izany anefa ny vaovao fa nisy namaky ny tribonaly ny asabotsy teo ka very tao ny antontan-taratasy lehibe momba ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Nosamborina ny olona akaiky sy ny mpisolovava ity mpitondra teo aloha ity. “ Mahagaga fa nosavaina ny zoma teo ny tranoko. Ny asabotsy, nivoaka tamin’ireo gazety mpomba ny fitondrana ny fahavakisan’ny fitsarana… “, hoy Ralitera.
Nogiazana ny volan’ny filoha teo aloha…
Tsy nijanona eo fa nambara ho nangalatra izany antontan-taratasy izany ny fianakaviana mipetraka ao aminy vao tonga avy any andafy ny zoma teo ary nosamborina koa. “Ankoatra izany, nogiazana ny volanay telo mirahalahy. Ny an’ny filoha Ravalomanana sy ny kaomisera Mbinina ary ny tenako Ralitera Andrianandraina. Voalaza anefa fa 19 izahay no voarohirohy tamin’ny “Raharaha 7 febroary”. Ny ambiny izany manao ahoana ? Mamoromporona indray ny fitondrana satria efa manakaiky ny fifidianana amin’ny taona 2018”, hoy ity olona akaiky an-dRavalomanana ity.
Araka izany, ho tonga hatraiza ny raharaha ary iza sy inona no tena kendrena amin’izao raharaha izao ?
Randria
Les commentaires sont fermées.