Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Marobiby – Ankadindravola : lehilahy nisotro poizina hita faty

Marobiby – Ankadindravola : lehilahy nisotro poizina hita faty

 Hita faty teny Ankadindravola Ivato, ny asabotsy lasa teo ny lehilahy iray 25 taona noho ny fisotroana ranom-boankazo nisy poizina. Namono tena ity lehilahy niharam-boina ity raha ny fahitan’ny olona azy teny an-toerana. Manaporofo izany rahateo ny fahitana tavoahangy plastika nisy sisan-dranomboankazo sy tavoahangy kely nisy poizina teo akaikin’ny fatiny nitsirara teo akaikin’ny tanimboly eny Marobiby Ankadindravola, kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo. Somary niteraka fifanjevoana teo amin’ireo mponina eny an-toerana ihany ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana. Nihevitra ny ankamaroan’ny olona fa hoe valanaretina pesta no nitarika ny fahafatesany. Ny fisian’ny tavoahangy kely nisy poizina kosa no nanamarina fa namono tena izy. Nanamarina izany rahateo koa ny fitsirihana nataon’ny dokotera avy ao amin’ny CSB II sy ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ankadindravola. Fotoana fohy taorian’izay tonga naka ny razana teny an-toerana ny fianakaviany. Nilaza ireo fianakaviany fa nanana olana momba ny tokantrano ity lehilahy ity. Tsy nody an-trano izy ny zoma alina ka ny fatiny sisa hitan’ny mponina. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary no hamantarana ny marina rehetra na tena famoizam-po na vonoan’olona ankolaka ny ambadik’ity fahafatesana ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.