
Niteraka savoritaka ny fifidianana seksion’ny baolina kitra, tao Brickaville, ny talata 7 novambra lasa teo. Fifidianana, izay nataon’ny filohan’ny ligin’Atsinanana,
Herinjatovo Andry Marcelle, amboletra. Noroahin’ireo klioba ara-dalàna, ao amin’ny distrikan ‘i Brickaville, sy ireo vondron’ny mpitia kitra ny filohan’ny ligin’Atsinanana, izay tonga tany an-toerana ary saika hanatrika ny fifidianana. Nambaran’izy ireo fa tsy ara-dalàna ny zavatra nataony, nanome “certificat de conformité” klioba roa vaovao ka ho afaka handatsa-bato. Ankoatra izay, nambaran’ ireto mpitia kitra ireto fa manao fandranitana adim-poko, tao amin’ny tambajotran-tsosialiny, ary manao fandrahonana ny tenany fa hoe kandidàn’ny fitondrana ka tsy azo atao na inona na inona. Mila mamerina amboara eto Toamasina, ireo vahoakan’ny faritra Atsinanana, izay efa ela no tsy nisian’izany. Izany indrindra no tanjona amin’ny hametrahana mpitantana ligy vaovao tia an’i Toamasina ka hamerina ny lazan’ny baolina kitra, amin’ny faritra Atsinanana sy hametraka fotodrafitrasa manara-penitra tsy hidiran’ny politika. Notsindrin’ireo mpitia kitra sy ireo klioba ara-dalàna rehetra fa tsy ara-dalàna ny fampandehanana ireo fifidianana, tany amin’ireo seksiona telo, efa vita ka hanaovan’ izy ireo antso avo amin’ny federasiona sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ary ny fitondram-panjakana mahefa.
Sajo
Les commentaires sont fermées.