Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hatao ny 6-8 desambra : nahemotra ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny polio

Hatao ny 6-8 desambra  : nahemotra ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny polio

Hahemotra ny 6-8 desambra ny fanaovam-baksiny faobe ho fiarovana amin’ny aretina lefakozatra miaraka amin’ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny reny mitondra vohoka sy ny zaza latsaky ny 5 taona”, hoy ny minisitry ny Fahasalamana, Andriamanarivo Lalatiana, omaly teny Ambohidahy. Ny volana marsa lasa teo ny andiany faha-10 amin’ny vaksiny miaro amin’ny lefakozatra ka tokony ho ny volana oktobra lasa teo ny andiany faha-11 hitohizan’ny asa fiarovana ny zaza rehetra. Noho ny valanaretina pesta sy ny savorovro vokatry ny tsaho no nanemorana ny hetsika. Atete ao am-bava ny vaksiny ary ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona 5 tapitrisa latsaka manerana ny Nosy. 85% ny tahan’ny fanaovam-baksiny ho an’ny andiany farany teo raha mihoatra ny 90% ny tanjona manerana ny Nosy ary tokony ho maherin’ny 80% isaky ny distrika rehetra. Mitentina 1 679 065 dolara ny sorabola atokan’ny OMS ho an’ny hetsika ara-pahasalamana raha 1 247.223 dolara ho an’ny Unicef, ankoatra ny vidin’ny vaksiny ary 21 376 ho an’ny PSI Madagascar.

Tsy maintsy atao isaky ny enim-bolana ny famerenana ny andiam-baksiny hampahomby ny ady amin’ny aretina lefakozatra mandra-pahazo ny taratasy fanamarinana avy amin’ny manamphaizana fa foana tanteraka ilay aretina.

Miaraka amin’ny fanaovam-baksiny faobe ny fizarana odikankana sy vitamine A ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona ary ny fanaovana ireo vaksiny mahazatra ho an’ny zaza mialoha ny fahaherintaony.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.