Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fizarana fitaovam-pianarana : hahazo ny anjarany ny mpianatry ny CEG

Fizarana fitaovam-pianarana  : hahazo ny anjarany ny mpianatry ny CEG

Hizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra amin’ny EPP sy ny CEG eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra ny filoha mivady, rahampitso eny Antsojombe. Ho an’ny EPP, hahazo avokoa ny mpianatra amin’ny EPP ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, sy ny Cisco Avaradrano sy Atsimondano ary Ambohidratrimo. “Ho an’ny CEG 15 eto Antananarivo Renivohitra ihany aloha no hahazo izany ety am-piandohana fa miankina amin’ny fandaminana isaky ny Cisco”, hoy ny talen’ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Tsitohara Serge, omaly. 63 000 ny fitaovana hozaraina eny an-toerana ahitana kitapo sy ny kojakoja ilain’ny mpianatra mandritra ny taom-pianarana.

Hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny ny anton’ny tohana atao isan-taona. Natokana ho an’ny sekolim-panjakana ny fanampiana fa rehefa misy ny ambiny, mahazo koa ny sekoly tsy miankina. Efa notsinjaraina any amin’ny faritra ny fitaovana ho an’ny mpianatry ny EPP.

Ankoatra ny fampitaovana, misy koa ny sakafo zaraina any an-dakilasy ho an’ny EPP rehetra eto an-dRenivohitra sy ny any amin’ny faritra Atsimo ho fandrisihana ny mpianatra hahatody hatramin’ny faran’ny taom-pianarana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.