Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andekaleka : simban’ny orana ny milina sasany

Andekaleka  : simban’ny orana ny milina sasany

Nahatsikaritra ny mpanjifa eto Antananarivo sy ny manodidina, fa tapaka naharitra ny famatsian-jiro nandritra ny faran’ny herinandro teo. Voalazan’ny fampitam-baovaon’ny Jirama, fa nanimba fotodrafitrasa maro ny firotsahan’ny orana sy ny tafio-drivotra.

Tototry ny antsanga sy ny fasika ihany koa ny milina any Andekaleka vokatry ny firotsahan’ny orambe.

Mpahazo any Andekaleka ity fihotsahan’ny antsanga sy ny fasika ity, satria tsy misy na tsy ampy ny zavamaniry miaro ny nofon-tany, manodidina ny tohodrano. Mihena indray anefa ny haavon’ny rano rehefa maintany. Mihodina amin’ny tohodrano ny toby any Andekaleka, ahitana gropy telo ary efa eo ampamolavolana ny hametrahana gropy fahefatra. Misy toby roa toraka izany koa any Antelomita Anjeva, ka tokony ho vita amin’ity volana novambra ity ny iray, simban’ny rivodoza Enawo, ny volana febroary farany teo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.