Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analakely : jiolahy tratra nanendaka Holandey

Analakely : jiolahy tratra nanendaka Holandey

 Naiditra am-ponja omaly ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanendahana teratany vahiny holandey iray teny Analakely, ny alahady maraina teo. Tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa teny  Petite Vitesse ireto jiolahy roa ireto tamin’io fotoana io rehefa avy nanendaka ilay teratany vahiny teny amin’ny araben’ny Fahaleovantena Analakely. Narahan’izy ireo avy aoriana ilay teratany vahiny izay tsy nanampo na inona na inona kanjo voaendaka tampoka. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny rojo volamena niaraka tamin’ny diamant mitentina 300 euros. Nifanenjehan’ny polisy avy hatrany ireo jiolahy ka noraisim-potsiny. Nohamafisin’ny polisy fa efa nigadra teny amin’ny fonjan’Antanimora ny iray amin’ireto jiolahy ireto. Eny amin’ny faritra Andoharanofotsy sy Anosibe ry zalahy ireto no mipetraka saingy tonga manao ny asa ratsiny eny Petite Vitesse. Maro ny olona efa nitondra faisana tamin’ireto jiolahy ireto teny Petite Vitesse sy ny manodidina.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.