
Nitombo indray ny laza sy ny voninahitry ny hira malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nahazo fahombiazana i Shyn solontenan’i Madagasikara.
Rehefa nandalo ny fitsaran’ny mpitsara sy ny mpijery, norombahan’i Shyn ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana « All Africa Music Awards », notontosaina tany Nizeria, ny 10 ka hatramin’ny 12 novambra teo. Mpanakanto 5 izy ireo no tao amin’ny sokajy « Révélation du continent africain ». Marihina fa ilay sanganasan’i Shyn nampitondraina ny lohateny « Resim-pitia » no naharesy lahatra ny mpitsara sy ny mpijery ka nahatafakatra azy hiatrika ity fifaninanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity.
Naneho ny fisaorana ho an’ny olon-drehetra sy ireo nanohana azy ka nahatrarana izao dingana lehibe izao i Shyn. Nomarihiny tamin’izany fa « isika rehetra no mpandresy satria isika rehetra iray ». Nialohan’ny niaingany teto an-tanindrazana no nilazany fa anisan’ny tanjona amin’ny fandraisana anjara tahaka izao ny fidirana ao anatin’ny tambajotran’ny mpanakanto eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nisy rahateo ny fotoana nahazoan’i Shyn nifanerasera sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpanakanto tonga tany Nizeria.
Fantatra fa tsy afa-nanatrika ny andro voalohany i Shyn, noho ny saika fisian’ny olana teo amin’ny « visa ».
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.