Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitsy toraka : afa-baraka tanteraka

Hafaliana ny an’ny Malagasy fa nandeha tamin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny asabotsy lasa teo, ny lalaon’ny Barea sy i Kaomoro. Fahadisoam-panantenana ny an’ny rehetra naheno ireo mpitantara, avy ao amin’ny Live sport, izay tsy matihanina ary tsy mahafehy sy tsy mahalala akory ny baolina kitra. Miteniteny foana ary tena nampametra-panontaniana hoe : Nankaiza ny mpanao gazetin’ny TVM no olona toa ireny no asaina mitantara zavatra goavana henon’izao tontolo izao? Toy ny mitantara hazakaza-tsoavaly izy ireo. Manonona nomerao fotsiny dia milaza ny toerana izay misy ny baolina. Raha any ampita, ny tranga toy ireny, indrindra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, tena sazy henjana sy fanalana amin’ny toerany ny mahazo ny tomponandraikitra. Tokony mba ho naka “consultant” toy ny ataon’ny TF1 na ny France 2 sy ny hafa, rehefa tsy hiara-kiasa amin’ny mpampahalala vaovaon’ny TVM. Na ilay “biscuit” tokony homena ny mpijery amin’ny fotoana mampiato ny lalao eny ambony kianja aza, tsy nisy satria tsy fantatr’izy ireo akory, na ny mpilalaon’ny Barea aza. Raharaham-pirenena iny, na baolina kitra aza ka asa izay hataon’ny fanjakana?

 Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.