Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rallye International de Madagascar : mitarika i Hery Be sy i Fafah

Rallye International de Madagascar  : mitarika i Hery Be sy i Fafah

Tontosa soa aman-tsara ny andro voalohany amin’ny “Rallye international de Madagascar”. Ny fanatanterahana ny “super special” anankiroa, teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina, no nanokatra izany, omaly zoma. Nihodidina ny “piste” manodidina ny kianja filalaovam-baolina ireo fiara 29 niady ny lohany, amin’ity “rallye” ity.

Nihodina intelo  izany fotodrafitrasa izany ireo mpifaninana, izay nirefy 1, 3500 km. Mitarika aloha  hatreto, i Hery Be sy i Fafah, mitondra ny fiara Mitsubishi Evo X, izay manana ny fe-potoana 2 mn 17, 7 s. Nahavita 1 mn 08, 6 s izy ireo, teo amin’ny “SS” voalohany ary 1 mn 09, 1 s kosa ny faharoa. Nanaraka azy mirahalahy i Yves sy i Nitro, nitondra ny fiara Subaru, izay nahatontosa ireo “SS” roa ireo, tao anatin’ny 2 mn 19, 1 s. Teo amin’ny “SS” voalohany, vitan-dry zareo, tao anatin’ny 1 mn 10, 6 s ny halavirana, 1, 3500 km raha 1, 08, 5 s kosa ny faharoa. Teo amin’ny laharana fahatelo i Louvel sy i Teddy, nitondra ny fiara Mitsubishi Evo IX. 2 mn 20, 8 s ny fitambaran’ny fe-potoan’izy mirahalahy, teo amin’ny fanatontosana ny “SS” roa, tamin’ity andro voalohany, ity. 1 mn 11, 4 s ny “SS” voalohany ary 1 mn 09, 4 s kosa ny “SS” faharoa.

Hitohy,  anio, ny hazakazaka ka hivoaka ny kianjaben’i Mahamasina indray ireo mpifaninana. Aorian’izay, vao hiverina eo Mahamasina, hanatontosa ny “SS”, amin’ny alina.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.